Anadahin-dreny tsivalahara

Naolany ny zanak’anabaviny vao 13 taona


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Lehilahy iray 54 taona no voapanga ho nanolana zazavavy vao 13 taona monja tao Ambohitrandriana Kaominina

Ambanivohitr’i Vinany Distrikan’i Mandoto. Araka ny tatitra ofisialin’ny Fari-piadidian’ny zandarimaria CIRGN Antananarivo, ny alin'ny 31 jolay hifoha 01 Aogositra, nandritry ny lanonana famadihan-drazana no nisy nanolana ity tovovavy ary natao fizahana teny amin'ny dokotera. Ny anadahin-dreniny ihany no voalazany ho nanolana azy. Vokany, nosamborin'ny Chef de poste Avancé Fidirana avy hatrany ity namoa-doza taorian'ny fitorian'ny ray aman-drenin-drazazavavikely. Taorian'ny famotorana azy dia natolotra ny fitsarana ingahirainy ka notanana am-ponja miandry fitsarana, hoy ny fampitam-baovao. Tsara ny mampahatsiahy, fa mbola tsy nisy aloha hatreto mpanolana namoahana didim-pitsarana sy nampiharana an’ilay famosirana na dia nihazakazahana aza ny nampandany ilay lalàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT