Actualités

Ampitso mampanahy !


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Ny andro no miova fa ny toe-draharaham-pirenena dia ny omaly ihany no anio. Tsy misy zava-baovao mahavelom-bolo, tsy misy tranga miavaka mba mampitsiry ny fanantenana, tsy misy fanomezan-toky maharesy lahatra atao antoka fa tena hivaha tokoa ny krizy. Miray feo ny rehetra, na inona na inona firehana politika ananana fa tena marefo ny fitondrana misy amin’izao fotoana, mihozongozona isan’andro ny sezan’ireo manampahefana ary manezaka mafy izy ireo mba handresy lahatra ny rehetra fa hoe mahavita azy

Isan’andro vaky izao dia tsy maintsy ahitana zavatra sampontsampona foana ataon’ny mpitondra, ary mivoaka foana ihany koa ireo tsiambaratelo, hany ka manomboka tsy misy miafina amin’ny besinimaro intsony ny tsy fahaizana mitantana eto. Olona manampahaizana ny filoham-pirenena, kanefa dia mahagaga sy mahatalanjona ny tsy hahafahany mifehy ireo mpiara-miasa aminy. Sarotra be ve ny mametraka vina mazava iray, iraisan’ny rehetra, dia mba ampitoviana ny tadin-dokanga fa tsy hoe samy manao izay saim-pantany ny filoha, ny praiminisitra ary ireo minisitra ? Hatramin’izao, tsy mbola mahatsapa ny vahoaka fa misy fitondram-panjakana mahefa eto, tahaka ny fitondrana tetezamita ihany no hiheveran’ny olona azy. Fa ny mbola manahiran-tsaina koa dia ny mieritreritra fa tsy mety tafatsangana ny fikambanan’ny mpanohitra, variana amin’ny adihevitra sy ny ady seza angamba ireo milaza azy fa mpanohitra dia io tsy mahavita mivondrona araka ny tondroin’ny lalàna io. Mahazo aina ny mpitondra amin’izany ary raha ny fanirian’izy ireo aza, dia tsy hisy mpanohitra mihitsy eny amin’ny antenimieram-pirenena, no sady tsy afaka ny haneho hevitra manakiana ny fitondrana ny olona, ary hanao dokambarotra ny zava-bitan’ny fitondrana avokoa ny filazam-baovao rehetra misy eto. Tsy hampivoatra no sady tsy hampandroso anefa izany ary hanome vahana ny fanangonan-karena sy fanararaotam-pahefan’olom-bitsy. Raha fampandrosoana firenena marina no tanjona dia tsy maintsy irosoana aloha ny fampihavanana, ary atsahatra mihitsy ny resaka fanilikilihana sy « halako bika tsy tiako tarehy ». Fa raha izao fiaingany ankehitriny izao aloha dia …mampanahy ihany ny havoaky ny ampitso e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT