Actualités

Ampitatafika Tanteraka ihany ny asa fanitarana ny Lapan’ny tanŕna


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Efa tamin’ny taona 2008 no nikasa hanatsara miaraka amin’ny asa fanitarana ny Biraon’ny Kaominina Ampitatafika ny mpitantana ny tanŕna ao anatin’ny Distrikan’Atsimondrano

Amin’izao fotoana 2014 izao, izany hoe enin-taona aty aoriana vao tanteraka ny fikasana satria dia am-periny amin’ny fanatontosana ity asa fanalehibiazana ireo efitra fiasana fandraisana ny mponina ao an-toerana ity ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina sy ny ekipany. Anisan’izany ny efitra natokana ho an’ny fanoratam-panambadiana miaraka amin’ny fananganana ny tohatra ivelan’ny fotodrafitrasa misy ny Lapan’ny tanàna. Maharitra 75 andro na 2 volana sy 2 herinandro ny fanatanterahana ny asa izay vatsian’ny minisiteran’ny Fitantanana sy ny Tetibola amin’ny alalan’ny «micro-réalisation». Vinavinaina ho vita afaka 15 andro ity asa fanitarana ny Kaominin’Ampitatafika ity. Tanjon’ny fiadidiana ny tanàna moa ny hanome fahafaham-po ny mponina amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT