AMPITATAFIKA SY ANOSIZATO

Miakatra ny reniranon’i Sisaony, tafakatra 35.000 ireo traboina


  • Talata 18 Febroary 2025

Tsy mitsaha-miakatra ny reniranon’i Sisaony vokatry ny ora-mikija tsy miato nanomboka ny Zoma 14 Febroary

lasa teo. Lasibatra vokatr’izany ny ankamaroan’ ireo tokantrano manamorona ity renirano ity antony namindrana azy ireo hiakatra amin’ny toerana avo. Ho an’ny kaominina Anosizato Andrefana manokana dia efa tafakatra 34.000 isa ireo traboina avy amina tokantrano 620 tafo ao amin’ny Fokontany Antandrokomby sy Ambodivona. Napetraka ao amin'ny Villa Lily Ambanimaso Anosizato avokoa izy ireo hatramin’ny omaly Alatsinainy 17 Febroary. Toraka izany koa ireo mponina avy ao amin’ny Fokontany Anjanamaitso, Ampitatafika. Maro koa ireo traboina nafindran’ny zandarimariam-pirenena toerana ka miisa 75 lahy izy ireo no nitatitra ny entan’ny mponina sy nibaby ireo ankizy madinika sy zokiolona. Ao amin’ny CGE Faliarivo moa no napetraka ireo traboina avy ao Ampitatafika ho fiarovana ny ain’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny haavon’ny ranon’i Sisaony mandalo eny Ampitatafika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT