Nahitana lehilahy iray maty an-drano teny Ampitatafika omaly maraina. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia niroboka avy hatrany tao anatin’ilay rano mandeha ity lehilahy ity,
raha vantany vao nahita entana mbola tsara, nentin’ny rano. Nilentika avy hatrany anefa izy raha vao tonga teny afovoany ary tsy nipoitra intsony. Nisy nilaza ihany koa anefa fa entan’ity lehilahy ity ihany io nosamboriny io izay niafara tamin’ny famoizany ny ain-dehibeny. Tonga teny an-toerana naka ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity moa ny mpamonjy voina.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.