Azo atao avokoa ny fomba fampahafantarana ireo olona hifaninana amin’ny fifidianana kaominaly rehefa tsy mandresy lahatra ireo mpifidy, hoy ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita. Tsy azo atao kosa ny miteny hoe
«fidio aho» na mizara karatra na bileta ahitana ny sary sy ny marika ahafantarana ilay fikambanana na antoko. Natokana ho an’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny 16 hatramin’ny 30 jolay alohan’ny 6 ora maraina izany, araka ny voalazan’ny lalàna velona mifehy ny fifidianana. Hafahafa ihany anefa ny zava-mitranga ao anatin’ireo fokontany miisa 13 mandrafitra ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika. Efa miroso amin’ny propagandy mialoha ny fotoana sahady mantsy ny fikambanana Tiako Ny Tanànako ahitana ny kandida Liva Rakotomizao, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mponina eny an-toerana. Miantso sy manaitra ireo mpikambana ao amin’ny Cenit ihany koa ireo kandida hafa mpifaninana amin’ny zava-misy ao amin’ity kaominina iray ao Atsimondrano ity. Manantena fandraisana andraikitra manoloana izao fandikan-dalàna izao moa ny vahoakan’Ampitatafika.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Toy izao ny endrik’ilay karatra nozaraina tamin’ny mponin’Ampitatafika
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.