AMPITATAFIKA

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako


  • Zoma 02 Oktobra 2026

Ny fivangongoan'ny fako

no anisan'ny tena vesatry ny tanana iray amin'ny ankapobeny noho ny tsy fananana fahefana handroaka azy ireny. Ho an'ny kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano manokana dia mahatratra 2 taonina isan'andro. Nitady fiaraha-miasa entina hanadiovana ny tanana ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina ka notoloran'ny ONG GRET fampitaovana toy ny fiara, kibota, bisikileta ary borety. Vaovao avokoa ireo fitaovana ireo. Havadika ho zezika avy hatrany ny fako voahangona mba hohampiasan'ireo tantsaha eny anivon’ny kaominina. 40 taonina hatreto ireo zezika efa voahodina ka efa nozaraina. Mariky ny fitohizan'ny fiaraha-miasa izay efa nisy teo amin'ny kaominina sy ny ONG GRET avokoa izany izay efa naharitra 12 taona. Na izany aza manara-maso hatrany ireo karazana fitaovana vatsiany ireny ny ONG GRET. Ho an'ny kaominina Ampitatafika manokana moa dia 10.000 Ar isan-tokantrano isan-taona no tokony hefaina eny amin'ny kaomina hatokana amin'ny fanadiovana izay efa tafiditra ao anatin'ny hetra tokony aloha. Hatreto anefa mbola vao ny 18%- n’ny mponina ihany no mandoa izany ka miteraka fahatarana amin'ny fanatanterahana ny asa.
Pati
Légende : Notoloran'ny ONG GRET mari-pankasitrahana ny Ben'ny tananan'Ampitatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • Le Premier
  • Zoma 02 Oktobra 2026

rendez-vous de l’immobilier

Hijery ny tohiny
FTT