Ampihimamban’ny Fanjakana foibe

«Tsy hanana fidiram-bola intsony ilay kaominina no hiafarany»


  • Zoma 22 Novambra 2024

Raha ho lasan’ny fanjakàna foibe ny hetra fakan’ny kaominina, hoy ny Front de libération national na FLN,

dia midika izany fa tsy hanana fidiram-bola na inona na inona intsony ilay kaominina no hiafarany. Miankina amin’ireo depiote milaza fa hitondra fampandrosoana ireo moa izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre. Tsy fantatro indray, hoy izy, na tsy fahatokisana ny ben’ny tanàna rehetra indray no hanaovana izany fa aleo ve izany any any amin’ny filohan’ny repoblika ny vola dia tsara tantana? Iarahantsika mahita nefa fa tsy misy zavatra tsara tantana eto amin’ny firenena satria tsy mitoetra ny fipetraky ilay rafi-pitantanam-bola. Tsy mahafehy ilay hoe tsy hampisy ny kolikoly na ny fanodinkodinam-bola sy ny karazany fa lasa gaboraraka ihany ilay izy avy eo. Ny hananan’ny firenena vokatra nefa no ilaina fa tsy hananan’ny fitondram-panjakana mitantana ny vola, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT