Ampihimamba amin’ny hetran-tany sy hetran-trano

Velon-taraina koa ny Ben’ny tananan’Ambavahaditokana


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa omaly ny Ben’ny tananan’ny

kaominina Ambavahaditokana Itaosy manoloana ny fivilianan’ny fitakiana ny hetran-tany sy hetran-tany mankany amin’ny ivon-toerana fitakiana hetra. Nambarany nandritra izany fa tena tsy ho afaka hanamboatra na hikarakara foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filam-bahoaka intsony ny kaominina raha toa ka tsy hiova amin’ny heviny ny Fitondram-panjakana. Ireny mantsy ho azy ireo no hahafahany manatanteraka ny 50%-n’ny asa fampandrosoana tanterahina eny anivon’ny kaominina, antony mampahazoto ny vahoaka handoa hetra. Na izany aza dia eo am-panavaozana ny lisitr’ireo olona tokony handoa hetra eny anivon’ny Fokontany izy ireo amin’izao. Tsy mitovy mantsy hoy ity Ben’ny tanana ity ny hetra aloha raha mpanofa no mipetraka amin’ilay trano. Toraka izany koa ny tompony fa samy hafa mihitsy antony hanaovan’izy ireo ny fanavaozana. Ankoatra izay dia mbola eo am-pitakiana ny hetran-trano sy hetran-tany nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny taona 2024 ihany koa izy ireo ankehitriny mba hahafahany miasa. Tanjona ny hiakaran’ny tahan’ny fandoavan-ketra ao Ambavahaditokana hatrany amin’ny 70% raha ny nambarany.
Pati
Legende : Ratoetrarinanja Jean Louis, Ben’ny tananan’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT