AMPEFILOHA

Trano 5 eo misy mikasa handrodana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

mikasa handrodana etsy amin’ny Fokontany Ampefiloha ambadiky ny CNAPS nanomboka ny Sabotsy teo. Raha araka ny fitarainan’ireo fianakaviana voakasika dia nisy vaditany tonga nanatitra taratasy tao amin’izy ireo tamin’io andron’ny Sabotsy io nilaza fa resy teny amin’ny tribonaly izy ireo rehefa niakatra matetika tetsy Anosy ny raharaha. Efa tamin’ny taona 2003 tokoa mantsy no nandeha tribonaly ity raharaha ady tany etsy Ampefiloha ity. Raha tsiahivina kely dia misy mitonona ho tompon’ilay tany misy ireo trano dimy ireo ankehitriny izay mirefy 2 ara ary milaza ho manana taratasy ara-dalana. Olona tsy lavitra ity tanana ity ihany ireo voalaza fa mitonona ho tompony ankehitriny ireo. Ireo fianakaviana tompon’ireo trano miisa 5 ireo anefa efa nanajary io toerana io nandritra ny 50 taona ary efa nangataka izany tamin’ny fanjakana. Ankehitriny mivadika ambony ambany ny tantara. Hatramin’ny omaly Alahady 14 Aprily hariva fotoana nanoratanay dia mbola feno mpitandro ny filaminana tao an-toerana hoy ny vaovao. 48 ora mantsy no nomena ireto fianakaviana ireto mba hialany amin’ny tranony hahafahan’ilay milaza ho tena tompon’ny tany mandrodana izany. Nanambara moa ireo fianakaviana voakasika ireo fa tsy ara-dalana ny taratasin’ireo milaza ho tompon’ny tany ankehitriny rehefa nojeren’ny mpahay lalana. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany izy ireo mba hijery akaiky ity tranga misy etsy Ampefiloha ity.
Pati
Legende : Ireo tanana misy mikasa handrodana ! Nilanja sora-baventy tahaka izao ny mponina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT