Actualités

Ampefiloha Rangahy iray vaky loha voadonan’ny lamasinina


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Mbola notahian-janahary ! Lehilahy lehibe iray, 60 taona eo, no voadonan’ny lamasinina teo Ampefiloha ambadiky ny minisiteran’ny Atitany omaly tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro.

. Hitany tsara ny lamasinina mitarika wagon maromaro handalo, na ny olona samy niteny taminy mba hikisaka fa miala any ny lamasinina. Lalodalovana sa azon’inona, fa nihazohazo toa hiampita ny lalamby ihany izy saingy ny lamasinina no tonga aloha ka voafaoka. Nidaraboka teo anelanelan’ny lalamby izy ary tafasitrika tany ambany lamasinia. Nihoraka ny ireo nahita, nihevitra fa potika tsy nisy noraisina ilay rangahy. Somary miadam-pandeha moa ny lamasinina mandalo amin’iny ampitan’i La Réunion kely iny ka mora tafajanona. Tamin’izay no nisokiran’ny olona ilay rangahy avy ao ambany lamasinina. Ny faritry ny lohany no naratra vokatry ny dona. Nakarina teo ambonin’ireny sarety entin-tanana ireny izy nentina namonjy hopitaly. Mpivarobarotra kapa sy kiraro tonta eny amin’ny lalamby manamorona ny lakandranon’Andriantany no asany. Nijanona niandry toromarika avy amin’ny Madarail kosa ilay lamasinina vao afaka nanohy ny diany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT