Ny sabotsy alina teo, teo Ampefiloha dia olona nirava avy niasa no nosamborina sy nendrikendrehina ho nanendaka
Raha ny fanazavana nomen’ny fianakavian’ireto olona ireto dia nisy ny fanendahana niseho tsy lavitra ny toerana nisy ireto olona ireto ka izy roalahy ndeha hody no niangonan’ny rihitra. Avy hatrany dia nosamborina izy ireo, tsy misy fanazavana akory. Nilaza ireto olona nisambotra ireto fa zanaka minisitra sy mpikambana ao amin’ny BIANCO no sady nidaroka sy nitifitra tamin’ny jiro misy herinaratra. Nentina teny amin’ny kaomisaria ampefiloha ireo olona hanaovana fanadihadiana ary notazonina tao nandritra ny 72 ora. Niakatra fampanoavana omaly moa ity raharaha ity. Etsy an-daniny dia mitaraina ny fianakavian’ny nilana vaniny fa tsy afaka manatrika ny fotoam-pitsarana akory ary tsy avela mitondra vavolombelona sy porofo manamarina fa tsy meloka ny havany. Mitaraina izy ireo noho ny tsindry hazo lena misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.