Actualités

Ampefiloha Fiara telo nifandona mafy


  • Talata 29 Jolay 2014

Efa matetika loatra ny trangana lozam-pifamovoizana eto Antananarivo. Tamin’iny herinandro iny dia io no azo lazaina fa nameno ny lisitr’ireo niditra tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny HJRA Anosy

Omaly indray dia nahitana fiara telo nifandona  na (carambolage). 4L sy Toyota ary 4x4 no nifanoroka teny  Ampefiloha nanoloana ny tranoben’ny Fiaro. Raha ny fahitana ny zava-niseho dia nandeha mafy ilay fiara 4L ka avy hatrany dia nandona ilay fiara teo anoloany  ary ity farany indray no nanosika ilay 4x4 avy ato aoriana. Somary mafy ny fifandonana. Ilay roa voalohany no tena voa mafy,  nikaperotra  ny teo aloha ho an’ilay 4L, simba tanteraka ny vodin’ilay fiara Toyota. Ilay 4X4 kosa tsy dia voakasika firy. Raha ny fantatra dia nampiresaka ny mpamily ny mpandeha iray tamin’ilay 4L ka inoana fa io no mety nahatonga ny loza, tao anatin’ny fitohanana rahateo io fotoana io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT