Actualités

Ampefiloha 2 lahy naiditra am-ponja tsy fidiny …


  • Alarobia 13 Aogositra 2014

Rehefa avy nivezivezy teny amin’ny fitsarana nandritra ny andro maro ny raharaha mahakasika ireo tovolahy voaendrikendrika ho nanendaka dia nilatsaka ny didy fa miditra am-ponja vonjimaika izy ireo. Raha tsiahivina, ny herinandro teo no niseho ny tantara tetsy Ampefiloha ka olona nirava avy niasa no nosamborina fa hoe mpanendaka.

Raha ny fanazavana nomen’ny fianakavian’ireto olona  ireto dia nisy ny fanendahana niseho tsy lavitra ny toerana  nisy ireto olona ireto ka  izy roalahy ndeha hody no niangonan’ny rihitra. Avy hatrany dia nosamborina izy ireo, tsy misy fanazavana akory. Nilaza ireto olona nisambotra ireto fa zanaka minisitra sy mpikambana ao amin’ny  BIANCO no sady nidaroka sy nitifitra tamin’ny jiro misy herinaratra. Niady mafy ny fianakavian’ireto voaendrikendrika ireto ka niezaka nitondra ny porofo rehetra ny amin’ny tsy maha meloka ny havan’izy ireo teo amin’ny fitsarana. Raha ny nambaran’izy ireo anefa dia lava tanana ny mpitory ka tsy afa-nanohitra ireto fianakaviana ireto. Manoloana izany dia mitaraina izy ireo satria dia manjaka ny tsindry hazo lena sy ny fanjakazakan’ny mahitahita ao amin’ny fitsarana Anosy ao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT