Ampasindava, faritra Diana.

Trozona goavana milanja 5 taona fefika


  • Talata 05 Novambra 2024

Trozona antsoina hoe "Baleine à bec de Cuvier" no hita faty tao amin'ny sisin-dranomasina Ampasindava,

fokontany Befotaka ao Nosy Be faritr'i Diana ny 3 novambra 2024, raha vaovao avy any an-toerana. "Ziphus cavirostris" no anarana ara-tsiantifikan'ity trozona ity izay milanja manodidina ny 5 taonina. 5,80m ny halavany ary 1.34 m kosa ny sakany, izay voalaza fa mbola tanora izy ity no izao fefika izao. Karazana trozona izay afaka midina hatrany amin’ny 1500m ka hatramin’ny 2000m any ambanin’ny ranomasina izy, raha ny fanamarihana hatrany. Tsy nahitana ratra na porofo hafa izay mety hahafantarana ny antony mety nahafaty ity trozona ity taorian’ny fitsirihana. Mety ho vokatry ny « désorientation sonore » no nahatonga izao tranga izao, raha ny fanazavana vonjimaikan’ny mpikaroka. Miroso amin'ny asa fikarohana izay tokony hotontosaina ao anatin’ny fotoana maika araka izany izy ireo hahalalana ny antony ara-tsiantifika nahatonga izao trozona fefika izao. Ny trozona ihany koa dia tafiditra ao anatin’ireo zava-manan’aina voasokajy ho arovana. Taorian’ny fandaminana dia efa nandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo tomponandraikitra tao an-toerana toy ny avy ao amin’ny Prefektiora, ny avy ao amin’ny CirPEB Nosy Be, ny Kaomandin’ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena ao Fascène, ny avy ao amin’ny Cantonnement (CEF) ary ireo fokonolona tao an-toerana tamin’ny fandevenana ity trozona ity, hoy hatrany ny tatitra.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT