Ny rainy niteraka azy ihany no nahabevohoka sy nanolana an-janany vavy 17 taona. Tsy miafina amin’ny mpiara-monina sy ny manodidina intsony ao amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara, ny fiarahan’izy mianaka ireto, efa ho roa taona izao
Noho ny henatr’olona sy ny vavam-bahoaka dia voatery nisintaka mihitsy ny renin’ity ankizivavy ity, ka lasa mpivady izy mianaka amin’izao, ary efa miandry andro hiteraka rakalakely, hoy ny loharanom-baovao. Maro ny ankizy voaolana amin’izao, ka tsy vitsy amin’izy ireo no lasa kely veta miroso sahady amin’ny asa fivarotan-tena, satria simba tanteraka ny sainy ary tsy matoky olona intsony ny ankamaroan’ny voaolana.
Mahery ny vola sy fomban-tany
Matetika raha ny zava-misy ao Toliara ao, vitan’ny fifanarahana ara-bola foana ny tranga mamohehatra amin’ny fanolanana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona. Raha ny fanadihadiana dia vitsy ihany ny sahy mitory eny amin’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Asa noho ny tahotra angamba na ny fomban-tany no mbola mahazo laka. Sa mahery ny vola, ka lasa toa entam-barotra itadiavam-bola sy ivelomana fakana fahafinaretana fotsiny ny ankizy ? Vokatr’izany, mitombo isa saika isan’andro ny vohoka tsy irina sy ny fanalan-jaza ary ny valan’aretina samihafa azo amin’ny firaisan’ny lahy sy vavy tsy voaaro. Tsiahivina fa amin’ny lalànantsika dia voasokajy ho fanolanana ny fiarahana amin’ny zaza tsy ampy taona na inona endriny sy fifanarahana. Heloka bevava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.