Actualités

Ampasikabo Tolagnaro Nitrangana hain-trano mahatsiravina


  • Talata 23 Septambra 2014

Nitrangana hain-trano mahatsiravina ny zoma alina teo sahabo ho tamin'ny 8ora tao Ampasikabo Tolagnaro. Mitentina an-jatony tapitrisa ariary ny fahasimbana. Fanaka lafo vidy miampy kamiao citerne iray feno solika kila forehitra sy lasa lavenona

Trano miisa dimy samy lehibe izay samy feno entana no lasibatra. Voalaza fa ankizy no tao an-trano tamin’io fotoana io. Tsy nisy anefa ny aina nafoy fa maherin' ny folo ireo traboina. Nipoapoaka ny gaz fandrehitra sy ny nirehetan'ny kamiao citerne mpitondra solika. Noho ny fifanomezan-tanan'ny fokonolona dia  maty ihany ny afo. Marihina fa tao anatin'ny 2 volana dia in’efatra nisehoana hain-trano tahaka izao tao an-drenivonitra Anosy dia i Esokaka, Ambinanikely ary ny roa tao Ampasikabo. Tetsy an-kilany dia nisehoana doro tanety indray ny manodidina ny toeram-pitrandrahana fasimainty ao Mandena amin’ny velaran-tany mirefy 200 ha. Noho ny ezak’ireo mpamono afo dia voavonjy ihany ary tsy afa-niitatra ny afo. Vokatry ny fandorana tanety tsy am-pitandremana na niniana natao no nahatonga izany, raha ny fandinihana azy teny an-toerana. Hatreto dia tsapa fa tsy mbola ampy ny asa fanentanana ny mponina amin'ny fikajiana ny tontolo iainana ao amin’ny faritra Anosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

Hijery ny tohiny
FTT