Actualités

AMPASIKA Ankizilahy roa nandroba fiara, saika matin’ny daroka ny iray


  • Talata 16 Septambra 2014

Lasa jiolahy hatramin’ny ankizy amin’izao. Vokatry ny fahantrana, ny fifohana rongony no antony. Maro ny velon-taraina amin’iny faritra 67 ha Atsimo sy Antetezana Afovoany hatreny Ampasika iny fa mirongatra ny sinto-mahery,

vaky trano ary asa fanendahana ataona tovolahikely manao asan-jiolahy. Misy amin’ireo no mody mangataka na miady asa manasa fiara, kanefa mitily ny rembiny. Omaly antoandro dia ankizilahy roa vao 14 sy 15 taona tratra nandroba fiara P.205 saika matin’ny vono ny iray, raha nandositra ny faharoa, tetsy Ampasika. Raha ny angom-baovao dia fiara nijanona teo amoron-dalana no nidiran’ny iray.

 

Lasa jiolahy hatramin’ny ankizy

 

Ilay boaikely faharoa efa galy fantsy kosa mody nanadio (namafa) ilay fiara taty ivelany. Teo ampakana « auto-radio » iny indrindra no tonga tampoka ny tompon’ny fiara ka traingo ny asa ratsy. Raha vao nahita izany ny iray taty ivelany dia nitsoaka. Tsy afa-niala kosa ny namany tao anaty fiara, ka niharan’ny daroka sy vono ary nibindana hatramin’ny tarehy. Ny teo amin’ny manodidina tsy nanam-po na inona na inona ary nihevitra an’ireto tovolahy ireto ho nanasa fiara, satria izany no asany eny, hoy ireo nanatri-maso.

 

Fahantrana

 

Tsy mifidy taona intsony ny fanaovana jiolahy ankehitriny araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny fokontany. Manaporofo izany, ny tranga teny Andranomena Talatamaty nandrobana zazalahy roa vao 16 sy 17 taona fiarakaretsaka Renault 4. Tsy vitan’izay fa mbola notombohan’izy roalahy ny antsy sy nokendain’ny iray tamin’ny « pince » ny tendan’ilay mpamily, ka naratra mafy, ary nalain’izy ireo ny vola 30.000 Ar tany aminy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT