Amparemahitsy, Mahajanga II

Zazavavy kely 2 heverina ho kambana hita faty


  • Zoma 10 Mey 2024

Zazavavy kely miisa 2 heverina ho kambana no hita faty tany Amparemahitsy, Mahajanga II

ny alarobia teo, raha ny fampitam-baovao voaray tany an-toerana. Mpanjono andeha hiasa no nahita io zazavavikely manodidina ny herintaona io, raha ny voalaza. Tao amin'ny vavaranon'i Marohogo no nahitana izany. Ny alarobia teo ihany, tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro no nisy fatina zazavavy kely iray faharoa hafa indray hita natsingevan'ny rano, tsy lavitra ny nahitana ilay zazavavy kely voalohany. Heverina ho kambana izy ireo satria mitovy endrika tanteraka. Misokatra ny fanadihadiana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT