AMPANIHY ANDREFANA

Potika hatrany amin’ny 60% ny tanana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Potika hatrany amin’ny 60% ny tanan’Ampanihy ao anatin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana

raha araka ny vaovao azo. Nitondra takaitra avokoa ireo kaominina miisa 7 mandrafitra ity distrika iray ity. Tapaka ny lalam-pirenena mampifandray azy amin’ny distrika hafa. Simba ny CSB II, potika ny trano fonenan’ny Lehiben’ny distrika raha toraka izany ihany koa ny biraon’ny serasera sy ny kolontsaina misy ny Televiziona Malagasy sy ny Radio nasionaly Malagasy. Miakatrabe ny rano ao Itampolo sy Androka. Trano maro no dibo-drano raha marobe ihany koa ireo traboina izay tsy mbola nahazoana isa matotra. Ho an’ny distrikan’i Morondava moa dia fantatra fa ilay Centre operationnel natao handraisana ny traboina indray amin’izao no dibo-drano ka tsy hitan’ireo tompon’andraikitra intsony izay hatao. Tafakatra 6510 ireo traboina miparitaka amina ivon-toerana miisa 10. Avy amina tokantrano miisa 1275 izy ireo raha araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny distrika any an-toerana. Efa mandray traboina ihany koa ny sekoly sy ny hotely ka ho an’ity farany manokana dia nisy ny Renim-pianakaviana vao teraka 3 andro monja noraisin’izy ireo rehefa dibo-drano ny tranony. Ho an’ny distrikan’i Belo Tsiribihiana dia miisa 1287 ireo traboina amin’izao raha 1284 ny ao Manja. Mahatratra 29472 kosa ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanonga…
Pati
Legende : Namela takaitra ratsy ho an’ny distrikan’Ampanihy ny rivo-doza Honde !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT