Actualités

Ampandra Mitsivala Ahiana ho Soamahamanina Bis


  • Alatsinainy 26 Desambra 2016

Taorian’ny raharaha Soamahamanina, ka nisian’ny fanoheran’ny vahoaka ny fitrandrahana harena ankibon’ny nataon’ny orinasa sinoa tao, dia raharaha mitana ny sain’ny maro koa izao ny any Tsarazaza Fandriana Faritra Amoron’i Mania sy ny any Ampandra Mitsivala any Ilakaka, Faritra Ihorombe.

Ho an’ity farany dia mampifanolana ny Vahoaka sy ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany antsoina hoe : Gondwana ny fitrandrahana. Ny manampahefana eto amintsika na ny any an-toerana na ny Fanjakana foibe dia toa samy milaza avokoa fa ara-dalàna tsara ity fitrandrahana ity. An-kilany, miziriziry ny mponina any an-toerana fa tsy ara-dalàna io fitrandrahana io ary manahy izy ireo sao misy ny tsikombakomba any ambadibadika any. Anisan’ny nivoy ny maha tsy ara-dalàna izany ny onjam-peo tsy miankina iray any an-toerana, ka nakaton’ny manampahefana tao an-toerana efa ho herinandro vitsivitsy izay ary natao hazalambo hatramin’ny mpanao gazety tao. Tsy mbola tapitra hatreo anefa ny raharaha fa mbola mitazona ny heviny ny olona ary ahiana ny mety ho fanoherana mahery vaika toy izay niseho tany Soamahamanina, na dia misy aza ny fampiasana herim-pamoretana toy ny zava-niseho nandritra ny fakana ny fitaovan’ilay haino aman-jery tany an-toerana. Novoizina matetika tamina haino aman-jery tsy miankina eto Antananarivo ity resaka ity saingy nampanginina mba hanatsaharana ny fampitana ny vaovao any an-toerana ?

 Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

Hijery ny tohiny
FTT