Ampamoaka goavana

Niaro tena, nanao fandisoana ny Minisiteran’ny Foloalindahy


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Manoloana ny fanambarana nataon’i Kolonely Rakotomamonjy Patrick

tao amin’ny tambajotra sosialy, izay nambarann’ny Minisiteran’ny Foloalindahy ho fanasoketana sy fanendrikendrehana, dia namoaka fanazavana ofisialy ny Sekretera Jeneraly, Vice-Amiral Assany Bemarivo Jeannot, miaraka amin’ny Tale Jeneraly sy ireo tompon’andraikitry ny hopitaly miaramila CENHOSOA. Voalaza ao fa voatendry ho Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CENHOSOA ny Sekretera Jeneraly noho ny toerana raisiny ara-drafitra, fa tsy amin’ny maha-olona azy. Mivory in’efatra isan-taona io Filankevi-pitantanana io, ary mandray anjara avokoa ny tompon’andraikitra, anisan’izany i Kolonely Rakotomamonjy Patrick. Noresahina ihany koa fa diso ny filazan’i Kolonely Patrick fa andiany iray izy sy ny Tale Jeneraly teo aloha, satria avy amin’ny andiany faha-VIII ny Sekretera Jeneraly, fa avy amin’ny faha-IX kosa ilay Tale. Tsy mbola nisy fanalana ara-ofisialy an’i Kolonely Patrick amin’ny maha-Tale Teknika Lefitra azy, saingy tsy tonga niasa intsony izy taorian’ny nanombohan’ny fanadihadiana azy tany amin’ny Zandary. Efa navoaka mihitsy aza ny "avis de recherche" mikasika azy. Nanomboka ny volana marsa 2023, nambara nisy fanavaozana lehibe tao amin’ny CENHOSOA, anisan’izany ny fampidirana “logiciel” vaovao sy fitaovana “scanner”, ka niakatra tokoa ny vola miditra. Nomarihina fa tamin’ny septambra 2023 vao notendrena ho Tale Teknika Lefitra i Kolonely Patrick. Momba ny latsakemboka 400 tapitrisa Ar ho an’ny fisotroan-drononon’ny miaramila, dia tapaka avy hatrany amin’ny karama izany ary ny “agent comptable” no mandoa azy any amin’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola, fa tsy amin’ny "contribution directe". Nisy fahasahiranana nandritra ny COVID, saingy efa voavaha tsikelikely. Mahaleo tena ny tetibolan’ny CENHOSOA, ary tsy azo tanterahina ny fandaniana raha tsy lany amin’ny Filankevi-pitantanana. Momba ny fanafody, mividy amin’ny SALAMA toy ny hopitaly hafa ihany koa ny CENHOSOA, nefa tsy miditra amin’ny teti-bolan’ny SALAMA, hoy ny fanazavana. Tsy mbola nisy ihany koa “évacuation sanitaire” nalefa avy amin’ny CENHOSOA nankany amin’ny Polyclinique Ilafy. Ny tranga tokana dia momba vazaha iray niasa tao Tozzi Green izay mila “coronarographie”, fitsaboana izay ny Ilafy irery no nanana. Farany, nambaran’ny Minisiteran’ny Foloalindahy fa hanatitra fitoriana amin’ny anaran’olona sy amin’ny anaran’ny Ministera ireo voatonona tao amin’ilay lahatsary, ho fiarovana ny hasin’ny rafitra sy ny fanjakana. Andrasana ny tohiny !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT