Vaky ny ady eo amin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, sy ny mpanolontsain’ny minisitry ny tetibola, Lola Rasoamaharo.
Niandoha tamina fitsikerana ny fihetsik’i ramatoa minisitra tao anatin’ny gazetin’ity farany rehefa eny Imasom-bahoaka ny disadisa, raha ny fijery azy ety ivelany ny 4 jona teo. Nanome valin-kafatra koa moa ny gazety naorin-dramatoa minisitra ny ampitson’io ary nampimpongatra dosien’andriamatoa mpanolontsaina izay efa hatramin’ny taona 2007. Resaka filazana fa mangalatra jiron’ny Jirama ny orinasa iray an’ity mpanolontsaina ity io dosie io. Izay nilazan’ny gazetin-dramatoa minisitra fa hananan’ny Jirama trosa amina miliara maro ny orinasan’andriamatoa mpanolontsaina. Nivaly indray ny hafatra avy aty amin’ny ankilany ny ampitso izay milaza fa manana porofo fa tsy nisy izany halatra izany. Mbola navoakan’izy ireo indray ny fomba fiainan-dramatoa minisitra fony izy mbola mpanao gazety tsotra na koa hoe olom-pirenena tsotra, raha azo ilazana azy izay. Fitsikerana izay mbola nanamarinan’izy ireo ilay fomba voalaza tamin’ny voalohany ihany fa manahirana efa hatry ny ela ny fihetsik’i ramatoa minisitra eny imasom-bahoaka. Ho hita eo moa ny tohiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.