Actualités

Ampamakiambato -Tolagnaro Tsy azo antoka intsony ny abatoara famonoan’omby


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Ny renivohitr’i Tolagnaro ihany hatreto no tsy mba manana toby famonoan’omby manaraka ny toetrandro. Anisan’ny nambaran’ingahy Leda, filohan’ny fikambanan’ny mpivarokena io raha niresadresaka tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ny alarobia teo.

Ny abatoara misy amin’izao fotoana, hoy izy efa antitra be ary hatramin’ny nahafantarany izay asa famonoan’omby izay, tsy mbola nahita abatoara ny tenanay fa teny an-kalamanjana na koa amin’ny trano tsizarizary toy izay misy ao an-tampon-tanànan’i Fort Dauphin.  Zava-misy tsy azo afenina ary fanta-poko fanta-pirenena, mbola toerana feno fako sy misy rano tsy misy mpikarakara no atao toerana famonoan’omby amidy ao Tanambao sy amin’ireo kartie vitsivitsy. Mbola lanjaina an-tsoroka sy entina amin’ny varamba na sarety ireo hena amidy amin’ireo toeram-pivarotana. Tsy marisika mividy hena ireo mpanjifa, indrindra ireo teratany vahiny sy ireo trano fandraisam-bahiny. Aleon’izy ireo manafatra hena any an-toeran-kafa. Ity resaka tsy fananana abatoara ity dia anisan’ny fitakiana nataon’ny fikambanana fagnomba tamin’izany fotoana ka niteraka fifanjevoana teo amin’ireo mpidina an-dalambe sy ireo mpitandro ny filaminana. Marihina fa efa nampananatena amin’ny hanamboarana amin’izay ny abatoara vaovao ny filoham-pirenena nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Mandrak’androany, hoy ireo mpivarokena ireo mbola ambatobevohoka no maresaka Mahatsiaro ho voky fampanantenana poak’aty ny vahoaka. Na eo aza izany, mbola azo ihafiana ny asan’ny fivarotan-kena hoy i Leda satria manodidina ny sivy ka hatramn’ny folo isan’andro ireo omby lafo. Manolona izany rehetra izany, manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ireo mpivarokena ny hametrahana amin’izay ny abatoara vaovao efa nampantenaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT