Actualités

AMPAHIMANGA ARIVONIMAMO Potiky ny havandra ny 60%-n’ny fambolena


  • Talata 18 Aprily 2023

Nisehoana oram-baratra narahina havandra tao amin'ny Fokontany Ankamory kaominina ambanivohitra Ampahimanga ny sabotsy 15 Aprily folakandro teo.

Naharitra minitra maromaro izany ka simba avokoa ny 60%-n’ny fambolena. Ny voly vary no tena voamafy tamin’izany raha araka ny fitarainan’ireo tantsaha izay marihina fa nandanin’izy ireo fari-pananany sy ny herim-pony nandritra ny taona iray. Miantso ny fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana araka izany ireo tantsaha mpamokatra any amin’iny faritra iny. Na izany aza dia tsy maintsy hiverina hiainana ao anatin’ilay fividianana vary 1.000 Ar ny iray kapoaka izy ireo raha mba efa nanantena ny ho afaka tanteraka. Hetahetan’ireo tantsaha koa araka izany ny hanomezana azy ireo masomboly hambolena mandritra ny vanim-potoana maintany hahafahana manarina ny simba. Tsiahivina moa fa tanana roa no lasibatry ny havandra nataony nahita faisana tato anatin’ny herinandro izao dia ity Fokontany Ankamory Ampahimanga ity sy ny Andriantsivalana Ambatolampy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny firaraky ny havandra teny an-tanimbary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT