Mpiadina 379 no niatrika ny andro voalohany tao Amoron’i Mania Nihena ny isan’ireo mpiadina fanadinana bacc teknika ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tamin’ity taona 2014 ity.
. Mpiadina 381 no nisoratra anaran tamin’ity taona ity, tsy tonga niatrika izany omaly alatsinainy 11 Aogositra nanombohan’ny fanadinana ny roa tamin’izy ireo. Misy foibe-panadinana roa ao Amoron’I Mania dia ao amin’ny LTP Ambositra sy LTP Fandriana. Ny LTP ao Fandriana no manana mpiadina betsaka indrindra izay mahatratra 217, raha 164 ny ao amin’ny LTP Ambositra. Nisy fihenany ireo mpiadina tamin’ity taona ity raha mitaha tamin’ny taon-dasa izay nisy mpiadina 475. Sambany tamin’ity taona ity no nisy mpiadina nisafidy ny bakalôrea-teknolôjia tao Ambositra, nisy 4 ireo mpiadina miatrika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.