Anatin’izao fotoanan’ny hahamehana ara-pahasalamana izao dia misy mpanao gazety tanana am-ponja vonjimaika, hoy ny avy eo anivon’ny Amnesty international tao anaty fanambarany omaly.
Efa manahirana ny toe-draharaha eto Madagasikara kanefa ireo manam-pahefana dia hita ho mbola manohy fihantsiana na « intimidation » ny tontolon’ny fanaovan-gazety malagasy ihany, hoy hatrany ity rafitra iraisampirenena miaro ny zon’olombelona ity. Raha tsiahivina dia ny 4 aprily teo ny talen’ny famoahana ao amin’ny gazety Valosoa, Arphine Helisoa, no nampidirina am-ponja vonjimaika nohon’ny antony voalaza fa nanaparitaka vaovao tsy marina ary nisarika fankahalana ny filoham-pirenena. Ny 2 aprily no niparitahan’izany, raha ny fanambaran’ny Amnesty international hatrany. Niverenan’ity rafitra ity nomarihana fa ny 21 martsa no namoaka vaovao farany ity gazety ity. Efa ny avy eo anivon’ny olafitry ny mpanao gazety no manamarina fa mpanao gazety ara-dalana ity nohapangaina ity kanefa dia sazy tsy mendrika izay maha mpanao gazety azy izay no ampiharina aminy, raha jerena ny lalana. Maro, raha ny fanazavan’ny amnesty international hatrany, ireo endrika tsy fanarahan-dalana sy tsy fanajana zon’olombelona ao anatin’izao raharaha izao ka antony hangatahan’izy ireo ny famoahana aingana tsy misy fepetra ny mpanao gazety Arphine Helisoa. Mbola tsy fantatra ny fotoam-pitsarana kanefa ahiana ho voatazona am-bolana maro any am-ponja ity mpanao gazety ity ary ahiana mafy ny fahasalamany vokatr’izany ao anatin’izao toe-draharaha izao, hoy hatrany ity fanambarana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.