Loza mitatao ho an’ny zo iaina eto Madagasikara, hoy ny tale rejionaly misahana an’i Afrika atsinanana sy atsimo ao amin’ny rafitra iraisampirenena, Amnesty international,
Deprose Muchena, ireny tranga nahafatesana gadra nandositra miisa 22 tao Farafangana ireny. Mampiseho ihany koa izy iny fa ny governemanta Malagasy dia tsy mandraharaha ny fisian’ireo voafonja. Efa im-betsaka izahay, hoy hatrany ny Amnesty, no nampirisika ny fitondrana Malagasy ny amin’ny tokony hamahana io olana momba ny fahateren’ny fonja eto Madagasikara io. Tokony hitondra lesona ho an’ny fitondrana mahefa ny zava-mitranga ary hanokafany fanadihadiana maika. Na teo aza ny fampanantenana isan-karazany avy amin’ny filoham-pirenena dia tsy mitsaha-mitombo ny mponina ary toy izany koa ireo voafonja. Tapaka ny fifandraisan’ireto farany tamin’ireo fianakaviany sy ny namany, eny, hatramin’ny mpisolovava azy vokatry ny Covid 19 ary isany nanampy trotraka ireo aretina mpahazo ny voafonja sy nampitroatra azy ireo izany ka tokony hikarohana vahaolana, hoy ity rafitra iraisampirenena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.