Actualités

AMIDOU Feno 20 taona


  • Talata 25 Aprily 2023

Mankalaza ny faha-20 taona niorenany ny fikambanana AMIDOU na ny « Amicale des inspecteurs des douanes ».

Dia an-tongotra 6 km mandroso sy miverina niazo ny Rovan’Antongona no nentin’ny AMIDOU nanamarihana izany tamin’ny Sabotsy teo ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Inspektera miray hina, manandratra avo ny fadin-tseranana. Nivoitra nandritra izany fa tamin’ny taona 2003 no niorina ny fikambanana. Maro ireo olana nosedrain’ny AMIDOU nandritra izany saingy mbola nahavita soa aman-tsara ny andraikitra nankinina taminy avokoa ny tsirairay raha araka ny fantatra izay efa mahatratra 150 isa manerana ny Nosy. Taorian’ny dia an-tongotra dia nisy ny fiaraha-misakafo notanterahin’ny mpikambana no sady nampahafantarana ny komity mpikarakara ny faha-20 taona ihany. Tonga nanotrona izany ireo solontena marobe avy any amin’ny faritra izay samy nankasitraka izao fihaonana izao. Mbola hitohy any Mahajanga, Toamasina ary Antsiranana moa ny fankalazana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny AMIDOU nitsidika ny rovan’Antongona
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT