Iray amin’ireo toerana eto Antananarivo tena ahitana amboteazy matevina saika isan’andro tsy tapaka,na andro tsotra na andro fety sy tsy fiasana, ny eny amin’iny faritra Analamahitsy Boriborintany faha-5 iny
. Efa manomboka hatreny Amboditsiry mihitsy izany avy aty atsimo ary tonga hatrany Ambohitrarahaba iny mihitsy avy aty avaratra. Raha ny hevitr’ireo rehetra nanontaniana, dia ireo mpivarotra teny an-toerana, ny mpitandro filaminana mandrindra ny fifamoivoizana ary ny avy amin’ny fokontanin’Analamahitsy tanàna, dia samy niray feo fa noho ny haterin’ny lalana amin’iny toerana iny no tena mampisy an’io fitohanan’ny fifamoivoizan’Analamahitsy io nefa koa mbola misy fiara mijanona eny an-tsisiny eny, efa maro be rahateo ny fiara mifamezivezy eny an-toerana. Tsikaritra ihany koa fa maro ny mpamily tsy mahafehy ny lalànan’ny fifamoivoizana ka mijanona etsy sy eroa, indrindra ny taksibe. Ankoatr’izay tena maha-be amboteazy koa ny andro fianaran’ny Lycée Français Ambatobe noho ny fahamaroan’nyf iara manatitra sym aka mianatra eny. Ny sarety enti-tanana, hoy ny mpitandro filaminana teny an-toerana no tena miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana saingy tsy hita izay hanaovana azy noho izy io fitadiavan’ny tsy manana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.