Velon-taraina fatratra ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambositra amin’izao. Diso tery loatra mantsy ny trano hipetrahan’izy ireo no sady efa antitra ihany koa. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia mbola tsy voatsara ny 60%-n’izy ireo hatreto nefa ireo voasazy vaovao miditra ihany.
Ankoatra izay dia mifangaro amina foto-drafitrasa iray ihany koa ireo voafonja lehibe sy ny ankizy. Miisa 12 ireo zaza tsy ampy taona tazonina ao an-toerana raha araka ny vaovao hatrany raha 17 kosa ny vehivavy. Ireo izay mba mendrika sy tsara fitondran-tena no hafindra any amin’ny distrikan’i Fandriana sy Ambatofinandrahana, toerana misy fonja izay voalaza fa mbola azo hiafiana ihany. Mangataka ny hanafainganana ny fitsarana azy ireo araka izany ireo voafonja any an-toerana. Toraka izany koa ny tokony hijeren’ny fitondram-panjakana ny toerana hitazonana azy fa mahatsiaro mijaly izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.