Vehivavy iray manodidina ny 23 taona eo ho eo no hita faty teny an-dranomasina
omaly Talata 05 Desambra folakandro tany Amborovy Mahajanga. Araka ny fizahana nataon'ny BMH ny razana dia karazan’ny efa nijanona nandritra ny fotoana maromaro teny an-dranomasina ity vatana mangatsiaka ity no nisy nahita ka nampandre azy irep. Tsy voafaritra mazava kosa na efa nisy nanolana izy na tsia. Toraka izany koa ny ratra amin’ny vatany. Efa nentina avy hatrany ao amin'ny tranom-paty ao amin'ny hopitalibe Androva moa ny razana raha mbola tsy fantatra kosa fianakaviany. Tsiahivina fa anisan’ny toerana efa tena hanjakan’ny tsy fandriampahalemana ihany koa ny ao Mahajanga ao amin’izao fotoana izao. Mila mitandrina araka izany ny rehetra indrindra fa ny vehivavy izay sady haolan’ireo mpanao ratsy no vonoiny amin’ny ankapobeny rehefa azony ny vola sy ny fananana rehetra any aminy.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitondrana ny razana niazo ny tranom-paty !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.