Actualités

Amborovy Mahajanga Hanangana fotodrafitrasa fampianarana sy fitsaboana


  • Alakamisy 04 Septambra 2014

Faly sahirana ny ray aman-dreny sy ireo zatovo mpianatra aorian’ny fahafaham-panadinana Bepc ao amin’ny fokontany Amborovy ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga. Ny antony dia tsy maintsy mihazo ny renivohitra izay 7 km miala ireo mpianatra te hanovo fahalalana amin’ny Lycée izay tsy misy ao amin’ity fokontany ity

Ny zava-misy anefa dia mitombo isan’andro ny fahasahiranana ka olana goavana amin’ny mpiara-belona ny saran-dalana mandroso sy miverina ho an’ny mpianatra tsirairay izay mandany hatrany amin’ny 24.000 ariary isam-bolana amin’ny sara-dalana 300 ariary saingy efa niakatra ho 400 ariary izany ankehitriny. Nikaroka ny hanamaivanana izany ny sefo fokontany Randriamampionona Jean Ferlin ka nahita tany azo hanorenana izay mirefy 8 amin’ny 24 metatra toradroa. Tsy ampy anefa io velarantany io, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny faritra sy ny tompon’andraikitry misahana fanabeazana eo anivon’ny faritra, taorian’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny lehibem-pokontany Maître Sanga fa nitady hevitra hafa ka nahita mpiara-miombon’antoka vahiny teratany koreana tatsimo vonona ny hanangana fotodrafitrasa ahitana efitra telo ka hatao ho fampianarana fiteny vahiny frantsay sy anglisy maimaimpoana ireo tanora ao an-toerana  ny roa amin’ireo raha ho toeram-pitsaboana kosa ny efitra fahatelo. Vinavinaina ho vita amin’ny volana oktobra moa ity fananganana fotodrafitrasa mitentina 9 tapitrisa ariary ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT