“Lapa Mozika”, no anarana nasalotr’i Sylvain Pascal Rakotondrazaka “Voahary”, izay mpahay mozika sy mpiangaly izany ny Akany iray mijoalajoala tokoa ary ahitana efitra maromaro toy ny fandraisam-peo.......
fanaovana famerenana, efitrano malalaka fandraisana lanonana sy fampisehoana ary azo hanatanterahana vela-kevitra maro izay efa misy fanamafisam-peo raitra fampiasan’ireo matihanina. Nataoko ny ezaka toy izao, hoy ny lehilahy ho fitondrana ny anjara birikiko ho amin’ny fanabeazam-boho ny mozika sy tolo-tanana ho an’ireo mpisehatra ny kanto. Maro mpanakanto manan-talenta ary hita taratra fa hanana ny hoaviny rahateo ny eny Ambohitrimanjaka sy ny eto Iarivo, hoy ihany izy koa inoana fa hitondra ainga vao ho an’ny mozika malagasy ny ivon-toerana toy ny “Lapa Mozika” izay hotokanana ny volana septambra ho avy izao. Miray lalana amin’ity Akany ity ihany koa ny asa sosialy ho an’ny mponina tsy ankanavaka eny an-toerana. Tafaraka tokoa, araka izany, ny mahasoa sy ny mahafinaritra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.