Actualités

Ambohitompoina Antanifotsy Dahalo maty voafitaky ny heviny


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana fa voafitaky ny heviny ny dahalo iray saika hanafika tranon’olona tany Ambohitompoina, distrikan’Antanifotsy Vakinankaratra tamin’ny zoma lasa teo. Niditra ny tanàna ireo olon-dratsy ka sady nanapoaka basy no nandroaka ny omby tao an-tanàna.

Noheverin’izy ireo fa taitran’ilay poa-basy ka lasa nanara-dia ny omby nirifatra ireo mpitandro ny filaminana ka niditra ny tanàna iray taty atsimotsimo izy ireo saika hanafika tanànan’olona tao an-toerana. Tsy nihetsika tao an-tanàna anefa ireo mpitandro ny filaminana fa niambina ny manodidina ka tamin’izany no nahatazanany an’ireto roalahy ireto ka nitifirany azy ireo saingy ny iray tafaporitsaka fa ny faharoa no voatifitra avy hatrany ary maty tsy tra-drano teo. Hita tany am-paosin’ity maty ity ny planin’ny trano saika hotafihan’izy ireo niaraka tamin’ny basy poleta telo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT