AMBOHIMIARIVO ANTSIRABE II

Zaza 10 taona maty tao anaty haintrano


  • Alarobia 20 Martsa 2024

𝙕𝙖𝙯𝙖 tsy manan-tsiny iray vao 10 taona monja no fantatra fa

namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofony tao Ambohimiarivo Antsirabe II afak’omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Raha araka ny fantatra dia afon-tsaribao teo afovoan-trano tany ambany rihina saika hanafanàna ireo biby fiompy no nirehitra nanakatra ny gorodona, tao ambony rihina. Tao ambany rihina mantsy no nompiana ireo akoho fakana nofony ireo. Nipoaka avy hatrany ilay "Batterie" fakàna angovo hanazavana ny efitrano nandritra izany ka tongan'ny afo ary nanafaingana ny fiparitahan'ny firehetana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia nisy olona iray 20 taona niaraka tamin’io zaza 10 taona io tao amin'ilay trano. Namoy ny ainy ity farany nandritra izany raha tafavoaka kosa saingy nijaly noho ny etona manempotra azy ilay olona iray 20 taona. Fahamaizana niampy fahasemporana moa no tena nahafaty ilay zaza hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nifamonjena tahaka izao ny nanavotra ilay zaza saingy indrisy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT