AMBOHIMANGAKELY

Vehivavy tsy tonga saina, hita nirenireny sy nitomany


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Vehivavy iray no hitan’ny fokonolona nirenireny sy nitomany teny

Ambohimangakely omaly Talata 05 Desambra. Manodidina ny 30 taona mahery eo ho eo izy io raha ny fahitana azy.Rehefa nanontaniana anefa ny anaovavy dia tsy nisy zava-pantany. Tsy tadidiny ny anarany, ny anaran-janany,ny toerana hipetrahany,ny anaran’ireo Ray aman-dReniny. Najanona ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely izy noho izany hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao. Raha ny tombana moa dia mety nanana olana ara-tokantrano na koa nanana adin-tsaina mafy ity vehivavy ity, antony niteraka izao fahaverezan-tsaina mahazo azy izao. Miantso ireo olona mahafantatra ity vehivavy ity araka izany ny zandary eny Ambohimangakely mba hanatona azy ireo na koa hampandre ny fianakaviany faran’izay haingana.
Pati
Legende : Ity amin’ny sary ity ilay vehivavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT