Fiarabe iray mpanimba ny tontolo iainana no nosakanan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ravalomanana ny
talata 19 mey teo teny Ambohimangakely tokony tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Noho ny famoahan’ity fiarabe ity setroka mainty diso tafahoatra no anton’izany. Rehefa nojerena ihany koa anefa ny taratasy momba ity fiara ity, taorian’ny fampahafantarana ny lehiben’ny zandarimaria teny an-toerana dia fantatra fa efa lany andro fitsirihina ara-teknika tamin’ny 18 aprily teo ilay fiara. Vokany, naiditra foriera mandritra ny 10 andro ilay fiara ary aorian’izay dia omena taratasy hafa fanamarinam-pitsirihana an-dalambe entina hanamboarana ilay fiara, ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpiara-belona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.