Ny fandalinana ny sehatry ny kolontsaina toy ny dihy, fianarana zavamaneno, fizahantany… miampy ny fampiofanana eo amin’ny lafiny informatika toy ny fanamboarana solosaina
simba sy ny fampiasana azy ireny ary ny fianarana teny vahiny ho fanamorana ny fitadiavana asa no antom-pisian’ny foibe ara-kolontsaina sy fampiofanana araka asa SECOURS (Savoir- Echange- Collaboration- Unité – Rapidité- Succès) izay iandraiketan’ny fikambanana ASASOA (Association d”Action Solidaire d”Ambohimangakely) miorina eny Antanambao Ambohimangakely. Tolo-tanana ho an’ireo tanora sy ankizy manana finiavana sy fahavononana ny hanampy sy hampivelatra ny fahalalany saingy voasakan’ny tsy fananana no nampijoroana ny Secours, hoy i Erinah Menjarimanana filoha mpanorina ny foibe. Sehatra iray ahafahana manala ny tanora sy ankizy anatin’ny tontolon’ny revy sy ny ditra ary hampahalalana azy ireo ny kolontsaina malagasy ny foibe toy itony koa inoana fa tsy hitazam-potsiny ireo manana andraikitra amin’ny fanabeazana fa mba hitondra izay anjara biriky sahaza azy avy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.