Efa zary nofy sisa ilay Ambohimangakely mirehitra jiro fahiny tamin’ny alalan’ireo takamoa teny amin’ireo andrin-jiro manerana ny tanŕna.
Maizina tanteraka Ambohimangakely ankehitriny noho ny tsy firehetan’ireo takamoa eny an-toerana. Ny mahavariana anefa dia mirehitra soa aman-tsara ireo takamoa amin’ ny andrin-jiro eny Soamanandrariny sy Mahazo izay samy mbola ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely avokoa. Alaim-panahy ny maro hieritreritra fa toa misy ny zanak’Ikalahafa anatin’ny fitantanana ny tanàna. Sa tsy mba mendrika ny hiaina ao anatin’ny hazavana ny mponina eny Ambohimangakely ? Inoana fa hirehitra tsy ho ela ny jiro sady efa manangasanga rahateo ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna e !!!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.