AMBOHIMANDRY

Hita omaly ilay lehilahy lasan’ny rano


  • Alakamisy 22 Febroary 2024

Hita omaly Alarobia 21 Febroary atoandro ilay lehilahy lasan’ny rano

tao Ambohimandry tamin’ny Sabotsy 17 Febroary teo, rehefa nifampitadiavan’ny fokonolona andro aman’alina. Efatra andro aty aoriana vao hita ny nofo mangatsiakany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia vokatry ny fahavakisan’ny fefiloha tao Ambalamanga, kaominina Ambohimandry no niteleman’ny rano an’Itompokolahy. Orana nivatravatra no niatombohan’izany. Niakatra ilay renirano ka tsy voasakan'ireo fefiloha intsony. Olona 3 mianaka izy ireo no taraiky teo amin’ilay fefiloha koa na dia niantso vonjy aza dia tsy nanana fitaovana ny fokonolona ka lasan'ny rano ihany izy ireo. Ny iray avotra soa aman-tsara. Ny vehivavy iray kosa hita faty, 02 andro taty aoriana raha omaly atoandro vao hita ilay lehilahy voalaza etsy ambony. Tsiahivina moa fa olona 5 raha kely no lasan’ny rano teto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Pati
Legende : Niakatrabe tahaka izao ilay rano ka nitelina azy 3 mianaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT