roa tao amin’ny fokontanin’Ambohimandroso Ilaka any amin’ny Kaominin’Ambohitompoina distrikan’Antanifotsy Vakinankaratra ny alin’ny talata 29 jolay teo tokony tamin’ny 12 ora alina tany ho any araka ny tati-baovao nomen’ny
solombavambahoaka voafidy tao Antanifotsy, no notafihan’ny andiana jiolahy nitam-piadiana mahery vaika ka ankoatra ny entana isan-karazany lasan’izy ireo dia olona iray no fantatra fa namoy ny ainy noho ny tifitra nataon’ireto jiolahy ireto. Mandry tsy lavo loha ny mponina any an-toerana, hoy ity solombavambahoaka ity, noho ny tsy fandriampahalemana. Ny lalana anefa ratsy dia ratsy avokoa mampitohy ireo kaominina sy fokontany Antanifotsy-Ambohitompoina, Antanifotsy Andranofito, Soanindrariny-Ambatolahy, Ambohimandroso-Ambodiriana-Antsahalava … hany ka sarotra dia sarotra ny famonjena ataon’ireo mpitandro ny filaminana satria ela dia ela ry zareo vao tonga any amin’ny mpiantso vonjy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.