AMBOHIMANDROSO

AMBAVAHADITOKANA Maika ny fanamboarana ny vanona hifehezana ny rano


  • Talata 19 Aogositra 2025

Fokontany iray amin'ireo 6 isa misy ao anatin'ny Kaominina ambanivohitr'Ambavahaditokana,

distrikan'Atsimondrano ny Fokontany Ambohimandroso. Mampiavaka azy ny fahafahan'ireo tantsaha mpamokatra ao aminy mamboly vary indroa mandritra ny taona raha ampy ny rano. Tamin'ity taona 2025 ity anefa dia tsy nisy izay tsy nikaikaika fa tsy ampy ny rotsak'orana hahafahana tena namokatra ara-dalana, antony manosika azy ireny hitady hevitra. Maika araka izany ny fanamboarana ny vanona ho enti-mifehy ny rano ho an'ity Fokontany iray ity. Tsy ho an'ny Fokontany izay tantanako ihany izany hoy Randriamifidison Richard fa ho an'ny lemak'Ambavahaditokana manontolo mihitsy. Tonga nihaona tamin'ny Ben'ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis ity sefom-pokontany ity omaly nitondra ny hetahetan'ny mponina sy nitantara ireo olana sedrainy hafa ihany koa. Anisan'ireny ny ampahan-dalana izay mbola tsy vita ao Ambohimandroso ka mamotaka rehefa fotoam-pahavaratra. Toraka izany koa ny rano fisotro madio vatsian'ny Jirama izay tapatapa-dava.
Pati
Légende : Randriamifidison Richard, sefom-pokontany ao Ambohimandroso !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT