Actualités

Ambohimanambola Mpianatr’Ankatso voadaroka « bois rond »


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Tena misy ny daroka « bois rond » raha ny fitantaran’ity zazalahy 19 taona mpianatra taona voalohany eny amin’ny Oniversiten’Ankatso ity. Monina eny Mahitsy Ambohimanambola saingy kaominin’Alasora ny tenany ary andeha haka Taksibe maraina ny alatsinainy 15 jona teo fa hiatrika fanadinana.

 Mba tsy hahadiso fidirana dia niainga tamin’ny 5 ora maraina ny tovolahy ary tsy niandry bus teo ampitan’ny tanàna toy ny mahazatra fa nisafidy ny hihazo ny rond point By Pass ka eny vao haka zotra 194 na 163 tonga dia mihazo an’Andrainarivo izay akaiky an’Ankatso tokoa. Nandeha tongotra hihazo io toerana io, kanjo rehefa nandalo teo akaikin’ny hotely Le Hintsy dia nisy nikapoka tamin’ny hazo be izay noheveriny fa ilay “bois rond” malaza ka voa tao amin’ny farahatony ary nianjera tamin’ny tany. Tafarina ihany anefa izy saingy nadarohan’ilay olon-dratsy fanindroany ka voa indray teo amin’ny masony ary naratra sy tataka be  ny tata-masony. Lasan’ilay mpanendaka ny kitapo kely nolanjainy misy ny fitaovam-pianarana rehetra sy ny karatra maha mpianatra sy fandraisana vatsim-pianarana … Mbola nahavita nitsangana namonjy ilay lalana maty fitsarana fiara ny tovolahy niantso vonjy ary dia ny olona teny an-toerana no nanatitra azy nody. Ny rainy no nampandre avy hatrany ny teny Ankatso sy ny Zandarin’Alasora tamin’ny trangan-javatra ary dia manaraka “Pansement” ao amin’ny CSB II Ampahimanga izy noho ny fanjairana ny teta-masony tataka ary efa an-dalam-pahasitranana sady mikarakara ny antontan-taratasy very rehetra. Maromaro ihany izay tranga-javatra niseho tao Mahitsy Ambohimanambola izay. Mangataka ny hanorenana tobin-janaparitry ny zandarimaria eny an-toerana ny mponina hisorohana ny asa ratsy mety hitranga tahaka izao.

Ntsoavina Evariste

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT