Tratra ny atidoha mpanaparitaka rongony ao amin’ny tanànan’Ambohimalaza. Mpiambina tanàna iray eny an-toerana ihany izy io, eo akaikin'ny Karting.
Loharanom-baovao avy amin’ireo olona tsara sitrapo no nahafantarana fa mivarotra rongony eny amin’ny manodidina izy io. Rehefa natao ny angom-baovao ka nidinan’ny mpitandro ny filaminana ifotony dia nosavaina tao an-tanony ka nahitàna fonosan-drongony miisa 21, antony tena nisamborana azy. Tamin'ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa 43 taona ny lehilahy. Mpiambina tanàna amin'ny toerana misy bar, izay misy ny mpampiasa azy no asany. Ahiana ho mamatsy rongony ireo mpisotro toaka ihany koa ilay ranamana ity noho izany. Niakatra fampanoavana omaly moa ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana mpanaparitaka rongony ao Ambohilaza
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.