Ambohimahasoa Brickaville

Mbola nisy omby nohanin’ny biby hafahafa indray


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Mbola nahitana trangana biby tsy fantatra mihinana omby indray tao Ambohimahasoa,

kaominina Vohitranivona, distrikan'i Brickaville omaly 31 janoary 2024 tamin'ny 4 ora maraina, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Zanak'omby iray 13 volana no lasibatra tamin'izany ary manodidina ny 55kg eo ny nofony laniny. Biby manana endrika liona no hitan'ny tompon'ny omby, hoy ny tatitra. Boribory ny lohany sady misy somotra, miloko "marron" izay voalaza fa biby tsy fahita any an-toerana raha ny fanazavana. Fotoana fohy taorian'izay dia nitsoaka ilay biby. Miantso fandraisan'andraikitra ireo tompon'omby any an-toerana. Tsara moa no mampahatsiahy, fa efa tao anatin’ny roa taona teo no nisehoan’ity tranga hafahafa ity, efa manodidina ny 40 ny omby lasibatra, ka am-polony mahery ny tato anatin’ny roa volana. Nisy ny petra-kevitra nilaza fa ireo alika ao an-tànana no mihinana ny omby, indrindra taorian’ny famefena ny toerana famonoana omby fitadiavan’izy ireo sakafo. Nandeha ny famonoana alika faobe, saingy mbola misy io tranga io indray.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT