Actualités

AMBOHIJANAKA Zaza 6 taona naolana tamin’ny tanana


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Ankoatra ny dadabe, ny dadatoa, ny dadafara, ny raikely,

ny mpanampy an-trano lehilahy dia efa tena atahorana mafy ihany koa amin’izao ireo lehilahy olom-pantatra eo an-tanana. Zazavavy kely iray vao enin-taona monja no lasibatr’izany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, distrikan’Atsimondrano ny fiandohan’ny herinandro teo. Lehilahy olom-pantany sy mpifanerasera aminy tao an-tanana ihany no voalaza fa nanao izany. Raha araka ny fitantaran’ity zazavavy kely ity dia nolalaovin’ilay rangahy tamin’ny tanany ny fivaviany ary avy eo nampidiriny tany anatiny tany ny rantsany ka nihiaka nitomany ilay zazavavikely. Ity tranga ity no nanaitra ny manodidina raha lasa nitsoaka kosa ilay lehilahy. Rehefa nentina tany amin’ny dokotera moa ity zaza tsy manan-tsiny ity dia fantatra fa rava tanteraka ny fahadiovany. Ilay lehilahy kosa teo an-daniny nanda mafy ny fiampangana azy. Efa nametraka fitoriana mikasika ity raharaha ity moa ny fianakavian’ity zazavavikely ity.
Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT