AMBOHIJAFY TOAMASINA

Fatin-jazakely notaritin’ny alika


  • Zoma 10 Janoary 2025

Nahitana fatin-jazakely natao tao anaty gony notaritin’ny alika tao Ambohijafy akaikin’ny kianja

filalaovam-baolina amin’ny lalana Villa Saphir omaly Alakamisy 09 Janoary hariva. Antony nahitan’ny olona ity fatin-jazakely ity raha ny loharanom-baovao azo ny fisavoritahan’ny alika taminy sy ny manodidina azy . Lahikely io zaza tsy manantsiny io. Tombanana ho vao teraka mihitsy ary notapahina manta ny tadim-poitrany hoy hatrany ny vaovao. Efa vonona ny handray ny andraikiny handevina ilay zaza tsy manan-tsiny moa ireo mpiara-monina teny an-toerana saingy mbola nandrasana kosa ny tompon’andraikitry ny Fokontany hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Efa miditra an-tsehatra ihany koa ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ny Reniny.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay gony nisy ilay razanakely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT