AMBOHIDRENY MAHAZOARIVO

Vehivavy nisolifatra teo am-pakana rano, natelin’Ikopa


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Naka olona indray ny ranon’Ikopa omaly Talata 30 Janoary tokony

ho tamin’ny 01 ora folakandro. Ilay mamakivaky ny tananan’Ambohidreny Mahazoarivo misaraka avy amin’ny ranon’i Tanjombato iny no namoa-doza ka Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona no lasibatra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpiara-monina aminy omaly hariva dia nandeha nivoaka natsaka rano no nialan’ity Renim-pianakaviana ity tao an-tokantranony. Nandrasana anefa tsy niverina izy efa ho ora 2 mahery ka lasa nitotototo nijery azy ireo fianakaviany. Vokany, sarina dian-tongotra nisolifatra tao anaty rano sy sceau sisa no hitan’izy ireo teo amoron-drano ka niantso ny sampana mpamonjy voina avy hatrany izy ireo. Efa vatana mangatsiaka tsy nisy fofon’aina intsony anefa no niakatra avy ao anaty rano ka tsy nisy azo natao intsony. Raha araka ny fantatra anefa dia vao 12 volana monja no zakan’ity Renim-pianakaviana farany raha 6 taona no zokiny.
Pati
Legende : Sady mamelona no mamono ny rano ka ilana fitandremana hatrany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT