Actualités

Ambohidratrimo Ankizy miisa 40 no nalana nify maimaimpoana


  • Alatsinainy 01 Septambra 2014

Antony iray mampihena ny taham-pahavitrihan’ny ankizy tsy hifantoka tsara amin’ny fianarana ny areti-nify.

Antony maro no mety mahatonga izany, araka ny fanadihadiana natao, toy ny tsy fahampian’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fihinanana zavatra mafana na mamy tafahoatra. Mba hisorohana izay ary dia nanatanteraka hetsika teny amin’ny kaominina Ambohidratrimo ireo fikambanam-behivavy Soroptimist miisa telo eto Antananarivo renivohitra ny sabotsy lasa teo. Anisan’izany ny Soroptimist club Antananarivo Doyen, ny club Antananarivo Mandrosoa ary ny club Antananarivo Tanamasoandro. Ankizy miisa 40 no nalana sy notsaboina nify maimaimpoana. Nomena sakafo maraina maimaimpoana izy ireo talohan’ny hetsika ary mbola nizarana fitaovam-pianarana toy ny penina sy ny kahie ihany koa taorian’ny hetsika. Tsara moa ny manamarika fa efa  8.000 Ar ny manala nify iray amin’izao ary 5.000 Ar ny manampina. Mbola nitohy teny Ambohidehilahy, toerana misy ny fitaizana zaza karakarain’ny Soroptimist club Antananarivo Mandrosoa moa ny hetsika taorian’izay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT